<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>(Manaraka ny famakian-teny voalohany) FFPM282</title>
<lyrics>[V1]
 (Manaraka ny famakian-teny voalohany)

[V2]
 Ry Jeso, Tompo velona,
 Mpiandry sy Mpamelona
 Ny Fiangona-masinao,
 Atreho izahay izao !

[V3]
 Indreo (Inty*) mpanomponao
 vaovao
 Atokanay, ka raisonao
 Hanao ny raharahanao,
 Hamahana ny ondrinao.
 (Manaraka ny faharoa)

[V4]
 Ny tany no nakana anay,
 Mihelina ny andronay,
 Ka vetivety izahay
 Dia hody vovoka indray.

[V5]
 Ry Jeso ô, Mpitia anay,
 Izay Mpanjaka hatrizay,
 Endrey ny voninahitrao,
 Manerana ny lapanao.

[V6]
 Ny deranao hasandratra
 Hitohy tsy hitsahatra ;
 Hazava toy ny kintana
 Ny tsara fanompoana.
 (Manaraka ny fahatelo)

[V7]
 Mba raison y mpanomponao,
 Ka aoka hamboarinao
 Ho mpanambara mankatò
 Ny hafatrao, ry Tompo ô !

[V8]
 Omeo Afo Masina
 Sy vava mampionona ;
 Ny sainao sy ny feonao
 Omeo ny mpanomponao.
 (Manaraka ny fahefatra)

[V9]
 Raha misy tafio-drivotra,
 Tohano tsy hatahotra,
 Hahery sy hisakana
 Ny rafim-piangonana.

[V10]
 Ka mba ampirisihonao
 Hanaraka ny dianao :
 Tantano raha mbola atý,
 Handresy ka ho tonga arý.
 (Manaraka ny ordinasiona)

[V11]
 Ka mba ampirisihonao
 Fa kely ny finoany ;
 Ny ranao masina anie
 Hanafaka ny helony !

[V12]
 Ampio mba haharitra,
 Raha mbola atý an-efitra ;
 Raha avy ny hodianay,
 Mba hazavao ny làlanay !

[V13]
 Raha tonga ny harivany,
 Ka ao ny ady farany,
 Dia raiso ny mpanomponao
 Hiala sasatra Aminao !
 *) Inty, raha olona iray no
 atokana</lyrics>
<hymn_number>282</hymn_number>
</song>